Ranohira, 04 Septambra 2025 — Tontosa androany Alakamisy tao amin’ny Sekoly Notre Dame de l’Isalo ny lamesa fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Journée Mondiale de la Jeunesse (JMJ) andiany faha-5 ho an’ny Diosezin’Ihosy. Hetsika isaky ny telo taona no atao eto amin’ny diosezy, raha isaky ny dimy taona kosa ny an’ny nasionaly.

Tsiahy sy Fampahatsiahivana

Ny andiany faha-4 dia natao tao Ampandratokana – Ankily tamin’ny taona 2022.
Nandritra ity andiany vaovao ity, notanterahina tamin’ny alalan’ny Sorona Masina notarihin’i Mgr. Fulgence Razakarivony, Evekan’ny Diosezin’Ihosy, ary notronin’ireo mpitondra fivavahana sy manam-pahefana isan-tokony.

Faharetana sy Tanjona

Haharitra 6 andro ny fivahinianana, manomboka tamin’ny 03 Septambra ary hifarana amin’ny Alatsinainy 08 Septambra 2025.
Ny tanjona amin’ny fotoana toy izao dia ny:

  • Fampivondronana ireo tanora katolika,

  • Fifampizarana traikefa sy hevitra,

  • Fampaherezana amin’ny finoana sy ny fiaraha-monina.

Teny Faneva sy Lohahevitra

“Tsy hahalala sasatra izay miankina amin’ny Tompo” (Izaia 40:30) no teny faneva tamin’ity taona ity.
Ny tontolo iainana sy ny fikajiana azy no lohahevitra nifantohan’ny fankalazana, ka nampirisihana ny tanora hiaro sy hitandro izany amin’ny sehatra rehetra iainany.

Zavatra nampiavaka

  • Nisy ny fandraisana Lakroa sy sary Masina Maria, natao fanamasinana taorian’ny Sorona Masina.

  • Nampitombo hafaliana ny fanomezana avy amin’ny manam-pahefana tao an-toerana : ombin-telo sy ondry .

  • Nampirisihan’ny mpitondra fanjakana ihany koa ny tanora hitsidika ny Valan-javaboary Isalo sy hanohy ny fifampizarana amin-kalalahana.

Famaranana

Feno hafaliana sy haravoana ny tanora nandray anjara tamin’ity JMJ ity. Antenaina fa hiteraka vokatra tsara eo amin’ny fiainan’ny tanora sy ny firoboroboan’ny finoana ao amin’ny Diosezin’Ihosy ny fivoriana.