Ihosy, 13 Aogositra 2025 – Tontosa omaly Alarobia 13 Aogositra 2025 tao amin’ny Katedraly Masina Maria Renin’Andriamanitra – Ihosy ny Lamesa famindrana ireo taolambalon’ireo Eveka efa nody mandry nitantana ny Diosezy. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-45 taonan’ny Diosezin’Ihosy ity hetsika lehibe ity.

Araka ny tantara, Eveka efatra no nifandimby nitantana ny Diosezy hatramin’izay, ary ireo roa voalohany no nafindra tao amin’ny toerana voatokana ao amin’ny Katedraly. Ireto izy ireo :

  • Mgr Luigi Duggio, Lazarista, notendrena ho Evekan’i Ihosy tamin’ny 13 Aprily 1967, nodimandry ny 2 Novambra 1970.

  • Mgr Jean Guy Rakotondravahatra, nandimby azy nanomboka ny 2 Jolay 1972, nodimandry ny 21 Septembra 1996.

Talohan’ny famindrana, dia nalevina vonjimaika tao Ampandratokana izy ireo, araka ny fitsipiky ny Fiangonana Katolika izay milaza fa tokony milevina ao amin’ny renivohitry ny Diosezy na ao amin’ny Katedraly notantanany ireo Eveka.

Ny Talata 12 Aogositra 2025 tolakandro no niaingan’ny taolambalo avy tao Ampandratokana. Ny Alarobia 13 kosa no natao ny Lamesa ofisialy notarihin’i Mgr Fulgence Rabemahafaly, Arsevekan’i Fianarantsoa.

Notronon’ireo Eveka hafa ny :

  • Mgr Fulgence Rabeony, Eveka misotro ronono avy any Toliara

  • Mgr Fulgence Razakarivony, Eveka mpiahy ny Diosezin’Ihosy

  • Mgr Luc Olivier Razafitsimialona, Evekan’i Taolagnaro

Tonga nanatrika ihany koa i Mgr Jean Désiré Razafinirina, Evekan’i Morombe, sy ireo solotenam-panjakana eo an-toerana.

Natao tao amin’ny toerana vaovao ao amin’ny Katedraly ny fametrahana ireo taolambalo, taorian’ny fanavaozana sy fanatsarana ny efitrano fiangonana.

Maro ireo Pretra, Relijiozy ary Kristianina tonga avy ao amin’ny Diosezy sy avy any ivelany, niara-nanotrona ity hetsika ara-pivavahana sy ara-tantara ity, iza