Notanterahina ny sabotsy 07 Jona 2025 ny fitsidihana pastoraly teto amin’ny Paroasy Masina Maria Renin’Andriamanitra, Ihosy. Ny toerana nanatontosana izany dia tao amin’ny efitrano Paul VI, Tanambao Ihosy arakin'ny efa mahazatra.

Nitarika ity fotoana manokana ity ny Mpandrindra Jean Noël RANDRIANIRINA, Vikaire Jeneraly, niaraka tamin’ireo solontena avy amin’ny Diosezy, izay tonga nanotrona sy nanampy amin’ny fanatanterahana ny hetsika.

Nanomboka tamin’ny 8 ora sy sasany maraina ny lanonana, izay nifantoka amin’ny fampahafantarana ny fiainam-pikambanana eto amin’ny paroasy alohan’ny fankalazana ny fetin’ny Pantekôty. Ity fihaonana ity dia fotoana iray hijerena sy handinihana ny zava-bita nandritra ny taona lasa, sy hahitana ny làlana tokony hizorana amin’ny fanatsarana ny fikambanana sy ny asam-piangonana amin’ny ankapobeny.

Nandritra izany koa no nanolorana tatitra mikasika ny asa sy ny hetsika rehetra vitan’ny fikambanana sy ny rafitra misy eo aminy ary indrindra ny andraikiny eo anivon’ny fiangonana tao anatin’ny herintaona.

 

Io fitsidihana io dia manamarika hatrany ny fampihavanana, fanamafisana ny firaisankina ary fanavaozana ara-panahy ho an’ny fiainam-pikambanana.