Ny AIM (Antilin’I Madagasikara) dia fikambanana masina mitaiza sy manabe ireo zatovo ho olom-banona, miaina sy mivelona ny fotom-pinoana Katolika Raomanina Apostolika. Lamesa notanterahina tao amin’ny efitrano fivavahana Eveché Tanambao Ihosy no niarahan’ny mpiakambana AIM teto amin’ny diosezy ny marainan’ny sabotsy 05 Novambra 2022. Sorona Masina fisaorana ny RAP (Ray Am-Panahy) teo aloha ary koa fandraisana ny vaovao izay handimby azy amin’ny andraikitra nosahiny tato amin’ny fikambanana.
Nanomboka tamin’ny 08 ora sy sasany ny fotoam-pivavahana izay notarihin’i Jeannot RANDRIATSIMIALONARIVO, Mp Skoto ray ampanahy teo aloha. Tonga nanatrika izany ihany koa i Mp RANDRIAMAMPIONONA Flavien Victoria, vikeran’ny Paroasy amin’ny maha tompon’andraikitra voalohan’ny Paroasy azy.
« Tsy misy afaka hanompo Tompo roa, dia Andriamanitra sy ny harena » io dia isan’ny lohahevitrin’ny fampiarana nataon’i Mp Jeannot RANDRIATSIMIALONA tamin’izany. Ilaina ny vola sy ny harena hoy izy fa tsy natao ho tompoina fa Andriamanitra irery ihany no tompoina. Ny AIM dia mpanompo fa tsy ho tompoina ary izany asa fanompoana izany dia mila fanetre-tena. Aoka ny Antily haka tahaka an’i Jesoa Kristy amin’ny asa fanompoana.
Vavaka sy firariantsoa ny fiainam-pikambanana sy hoan’i Mp Herman Berthin ANDRIAMANANJARA, Mp handimby azy no namarany ny teniny. Fisaorana sy fiarabana arakin’ny fomba Skoto teo an-tokotanim-piangonana niarahan’ny mpikambana rehetra kosa no nandraisana ny RAP diosezy vaovao