Ranohira, 04 Septambra 2025 — Tontosa androany Alakamisy tao amin’ny Sekoly Notre Dame de l’Isalo ny lamesa fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Journée Mondiale de la Jeunesse (JMJ) andiany faha-5 ho an’ny Diosezin’Ihosy. Hetsika isaky ny telo taona no atao eto amin’ny diosezy, raha isaky ny dimy taona kosa ny an’ny nasionaly.
Tsiahy sy Fampahatsiahivana
Ny andiany faha-4 dia natao tao Ampandratokana – Ankily tamin’ny taona 2022.
Nandritra ity andiany vaovao ity, notanterahina tamin’ny alalan’ny Sorona Masina notarihin’i Mgr. Fulgence Razakarivony, Evekan’ny Diosezin’Ihosy, ary notronin’ireo mpitondra fivavahana sy manam-pahefana isan-tokony.
Haharitra 6 andro ny fivahinianana, manomboka tamin’ny 03 Septambra ary hifarana amin’ny Alatsinainy 08 Septambra 2025.
Ny tanjona amin’ny fotoana toy izao dia ny:
Fampivondronana ireo tanora katolika,
Fifampizarana traikefa sy hevitra,
Fampaherezana amin’ny finoana sy ny fiaraha-monina.
“Tsy hahalala sasatra izay miankina amin’ny Tompo” (Izaia 40:30) no teny faneva tamin’ity taona ity.
Ny tontolo iainana sy ny fikajiana azy no lohahevitra nifantohan’ny fankalazana, ka nampirisihana ny tanora hiaro sy hitandro izany amin’ny sehatra rehetra iainany.
Nisy ny fandraisana Lakroa sy sary Masina Maria, natao fanamasinana taorian’ny Sorona Masina.
Nampitombo hafaliana ny fanomezana avy amin’ny manam-pahefana tao an-toerana : ombin-telo sy ondry .
Nampirisihan’ny mpitondra fanjakana ihany koa ny tanora hitsidika ny Valan-javaboary Isalo sy hanohy ny fifampizarana amin-kalalahana.
Feno hafaliana sy haravoana ny tanora nandray anjara tamin’ity JMJ ity. Antenaina fa hiteraka vokatra tsara eo amin’ny fiainan’ny tanora sy ny firoboroboan’ny finoana ao amin’ny Diosezin’Ihosy ny fivoriana.
Ihosy, 13 Aogositra 2025 – Tontosa omaly Alarobia 13 Aogositra 2025 tao amin’ny Katedraly Masina Maria Renin’Andriamanitra – Ihosy ny Lamesa famindrana ireo taolambalon’ireo Eveka efa nody mandry nitantana ny Diosezy. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-45 taonan’ny Diosezin’Ihosy ity hetsika lehibe ity.
Araka ny tantara, Eveka efatra no nifandimby nitantana ny Diosezy hatramin’izay, ary ireo roa voalohany no nafindra tao amin’ny toerana voatokana ao amin’ny Katedraly. Ireto izy ireo :
Mgr Luigi Duggio, Lazarista, notendrena ho Evekan’i Ihosy tamin’ny 13 Aprily 1967, nodimandry ny 2 Novambra 1970.
Mgr Jean Guy Rakotondravahatra, nandimby azy nanomboka ny 2 Jolay 1972, nodimandry ny 21 Septembra 1996.
Talohan’ny famindrana, dia nalevina vonjimaika tao Ampandratokana izy ireo, araka ny fitsipiky ny Fiangonana Katolika izay milaza fa tokony milevina ao amin’ny renivohitry ny Diosezy na ao amin’ny Katedraly notantanany ireo Eveka.
Ny Talata 12 Aogositra 2025 tolakandro no niaingan’ny taolambalo avy tao Ampandratokana. Ny Alarobia 13 kosa no natao ny Lamesa ofisialy notarihin’i Mgr Fulgence Rabemahafaly, Arsevekan’i Fianarantsoa.
Notronon’ireo Eveka hafa ny :
Mgr Fulgence Rabeony, Eveka misotro ronono avy any Toliara
Mgr Fulgence Razakarivony, Eveka mpiahy ny Diosezin’Ihosy
Mgr Luc Olivier Razafitsimialona, Evekan’i Taolagnaro
Tonga nanatrika ihany koa i Mgr Jean Désiré Razafinirina, Evekan’i Morombe, sy ireo solotenam-panjakana eo an-toerana.
Natao tao amin’ny toerana vaovao ao amin’ny Katedraly ny fametrahana ireo taolambalo, taorian’ny fanavaozana sy fanatsarana ny efitrano fiangonana.
Maro ireo Pretra, Relijiozy ary Kristianina tonga avy ao amin’ny Diosezy sy avy any ivelany, niara-nanotrona ity hetsika ara-pivavahana sy ara-tantara ity, iza
Notanterahina ny sabotsy 07 Jona 2025 ny fitsidihana pastoraly teto amin’ny Paroasy Masina Maria Renin’Andriamanitra, Ihosy. Ny toerana nanatontosana izany dia tao amin’ny efitrano Paul VI, Tanambao Ihosy arakin'ny efa mahazatra.
Nitarika ity fotoana manokana ity ny Mpandrindra Jean Noël RANDRIANIRINA, Vikaire Jeneraly, niaraka tamin’ireo solontena avy amin’ny Diosezy, izay tonga nanotrona sy nanampy amin’ny fanatanterahana ny hetsika.
Nanomboka tamin’ny 8 ora sy sasany maraina ny lanonana, izay nifantoka amin’ny fampahafantarana ny fiainam-pikambanana eto amin’ny paroasy alohan’ny fankalazana ny fetin’ny Pantekôty. Ity fihaonana ity dia fotoana iray hijerena sy handinihana ny zava-bita nandritra ny taona lasa, sy hahitana ny làlana tokony hizorana amin’ny fanatsarana ny fikambanana sy ny asam-piangonana amin’ny ankapobeny.
Nandritra izany koa no nanolorana tatitra mikasika ny asa sy ny hetsika rehetra vitan’ny fikambanana sy ny rafitra misy eo aminy ary indrindra ny andraikiny eo anivon’ny fiangonana tao anatin’ny herintaona.
Io fitsidihana io dia manamarika hatrany ny fampihavanana, fanamafisana ny firaisankina ary fanavaozana ara-panahy ho an’ny fiainam-pikambanana.
Ihosy, 4 Jolay 2025 — Notanterahina tao amin’ny Didec Ihosy ny Filan-kevitrin'ny AIM (Antilin'i Madagasikara) ho an’ny Diosezin’Ihosy. Fivoriana manan-danja notarihin’ny Filohan’ny AIM Diosezy, Fil Paulbert, Ray am-panahy (RAP) ao amin’ny fikambanana, niaraka tamin’ireo ekipa teo aloha sy ireo solontena avy amin’ny rantsamangaika manerana ny faritra.
Ny Filan-kevitry ny AIM Diosezy dia rafitra manan-kery eo anivon’ny fikambanana, iarahan’ny ekipa Diosezy mitondra fehitenda manga, ireo solontena faritra mitondra fehitenda vony-parasy, ary ny toniam-pivondronana mitafy folara volomboasary. Izy ireo no mandrafitra sy mitantana ny asa sy vinan'ny AIM amin’ny sehatra eo an-toerana.
Nanomboka tamin’ny 8 ora sy sasany maraina ny fotoana, narahina vavaka sy tatitra avy amin’ireo mpikambana. Ny tanjona dia ny hizara amin’ny rehetra ny asa vitan’ny herintaona, ny olana sedra ary ny vinavina vaovao ho fanatsarana ny fiainan’ny fikambanana.
Nampitombo hasina ny fotoana ny fifanakalozan-kevitra manodidina ny fiainam-pinoana, fanabeazana ara-panahy, ary ny fanatsarana ny rafitra anatiny.
Tamin’ny tapany tolakandro, notanterahina ny fifidianana ny FIDI (Filohan’ny AIM Diosezy) sy ireo mpandrindra vaovao. Ireto avy no kandida:
Fil Yves Herindrazana Andrianambinina (FIDI teo aloha)
Fil Mamy Andrairimanga (CONAT – Ekipa Nasionaly)
Fil Pierre Tsimibana(FIFA teo aloha)
Taorian’ny famakiana ampahibemaso ny sata mifehy ny fifidianana, dia niroso tamin’ny tsangan-tanana ny mpikambana. Lany indray tamin’ny fomba ara-dalàna i Fil Yves Herindrazana Andrianambinina, izay efa nitantana ny fikambanana nanomboka tamin’ny taona 2015. Araka ny sata, dia azo havaozina indroa ny fitondrana, ka izao no fanavaozana faharoa sy farany ho azy.
Ny valim-pifidianana dia halefa amin’ny Eveka Ray Mpiandry ao amin’ny Diosezy, alohan’ny handefasana izany ho fankatoavana amin’ny Filoha Nasionaly. Raha vantany vao voamarina, dia afaka mandray ara-dalàna ny andraikitra ny FIDI sy ny ekipany vaovao
Ny AIM na Antilin’i Madagasikara dia fikambanana mitaiza sy manabe aram-panahy, aram-pinoana, ara-batana ihany koa. Mikendry ny fanamafisana ny finoana, ny fampandrosoana ara-panahy, ary ny fiaraha-monina miorina amin’ny fitiavana sy fahamarinana. Manana andraikitra lehibe eo amin’ny fiainan’ny fiangonana sy ny mpiara-belona ihany koa
Tao anatin’ny herinandro voalohan’ny volana aprily, hetsika lehibe ara-panahy, sosialy ary tontolo iainana no notanterahin’ny Diosezin’i Ihosy. Asa nampiseho mazava ny fandraisan’andraikitra iombonana sy ny finoana miasa.
Tamin’ny 1 aprily, nitondra hafatra mazava momba ny fikajiana ny tontolo iainana ny Diosezy. Nitarika ny hetsika reboisement tany Anarafanja i Mgr. Fulgence Razakarivony, niaraka tamin’ny pretra rehetra ao amin’ny diosezy. Hazo 400 no novolena.
Io hetsika io dia tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny fananganana ny paroasy fahatelo ao amin’ny renivohitry ny diosezy, ka maneho mazava ny fifamatorana eo amin’ny fanompoam-pivavahana sy ny asa fiveloman’ny tontolo iainana.
Nivory tao amin’ny Katedraly Masina Renin’Andriamanitra ao Tanambao ny 137 mpikambana ao amin’ny Filankevitra FFVA, ny 2 aprily. Nisy lamesa fanokafana narahina fanofanana lalina notarihin’i P. Jean de la Croix Randrianatoandro, manampahaizana amin’ny teôlôjia.
Fotoana feno hafatra sy fandinihana, niompana amin’ny lohahevitra ara-pastoraly sy ara-panahy, nanampy ny mpikambana ho vonona amin’ny andraikitra entiny amin’ny fiangonana sy ny fiaraha-monina.
Tamin’ny 3 aprily, nifantoka tamin’ny fanatanterahana ny Plan de Travail Annuel (P.T.A) sy ny fandinihana ny sata ny fivoriambe ankapoben’ny ONG Tsimoka. Fivoriana iray lehibe izay nanamafy indray ny fiaraha-mientana amin’ny asa sosialy sy ny tetikasa fanampiana eo anivon’ny diosezy.
Nandray anjara mavitrika avokoa ireo mpikambana sy mpamatsy vola, niara-nizara vina sy tetikasa manohana ny fiaraha-monina.
Nandritra ny 5 sy 6 aprily, nanatanteraka fankalazana manokana ho an’ny marary sy ny mpiasan’ny fahasalamana ny Komisiona Diôsezana misahana ny Fahasalamana (C.D.S). Feno firaisankina sy fiaraha-mivavaka ny fotoana, izay nentina nanome voninahitra ireo miatrika fahasahiranana sy manome toky amin’ny fitsaboana sy fiahiana.
Ny lamesa lehibe notarihin’ny Eveka no nanam-petra ny fankalazana, nentin’ny rehetra ho fotoana iray feno fanasitranana ara-panahy sy ara-tsaina.
Io teny io no nentin’ny Diosezin’i Ihosy nitety ireo hetsika rehetra. Teny mitambatra ao anatiny ny fiainam-panahy sy ny fiaraha-mientana, mampatsiahy fa tsy misy fiaraha-monina mandroso raha tsy misy fanantenana sy fandraisan’andraikitra avy amin’ny rehetra
(RAZAFINDRANAIVO Robena Fredo)
© 2025 Radio Avec Ihosy