Ny 02 Febroary dia andro natokana hoan’ireo mpanolo-tena ka mirotsaka an-tsitrapo hoan’i Kristy. Mankalaza io andro manerantany hoan’ny relijiozy io koa ny eto amin’ny diosezin’Ihosy. 3 andro no faharetan’izany ka isany nanamarika ny andro voalohany tamin’ity taona 2025 ity ny fivoriana izay niarahan’izy ireo ny zoma 31 janoary. Tao amin’ny Paroasy Saint Vincent de Paul Besavoa Ihosy no teoram-pivoriana izay nahitana solontena avy amin’ny vaomiera eto amin’ny diosezy.

Vavaka no nanokafana ny fihaonana vao niroso tamin’ny fifampizarana izay notarihin’i Mgr Fulgence Razakarivony, evekan’ny diosezin’Ihosy. Nasiana fanatsarana nandritry io fotoam-pivoriana io ihany koa ny fankalazana hoan’ity taona ity. Notsongain’eveka tamin’izany ny taratasy nosoratan’i Mgr José Rodriguez Carballo hoan’ny fiainana voatokana tamin’ny 18 Janoary 2021 hampitany ny fampianarany sy nankaherezany azy ireo ihany koa.

Naveriny novakina tamin’ireo koa ny hafatrin’i Papa François tamin’ny 02 febroary 2019. “Fihaonana velona amin’ny Tompo sy ny olony ny fiainana voatokana, antso ho amin’ny fankatoavana amim-pahatokiana isan’andro sy amin’ireo fahagagana. Tsy mbola nisy toy izany avy amin’ny Fanahy, dia ny fahitana izay mety horaisina mba hananana fifaliana: Jesoa”

Toarian’ny fampianaran’ny evaka, nasiana fanatsarana ihany koa ny fandalinana Sakramenta Masina dia ny Katesizy eto amin’ny diosezy. Lahadinika notarihin’ny Mp Anja Roger, mopera zokiny indrindra eto amin’ny diosezy ka izany no nanendrana azy hitarihany ity dinika ity.
Ny boky “Izaho Mino” izay nosoratan’i Mp Jean Guy Rakotondravahatra tamin’ny 1990 no boky ampisaina amin’ny fampiarana katesizy hoan’ny eto anivon’ny diosezin’Ihosy. Ara tantara dia io no boky faha 6 tamin’ireo boky nifandimby nampisaina tamin’ny fampianarana teto