Tao anatin’ny herinandro voalohan’ny volana aprily, hetsika lehibe ara-panahy, sosialy ary tontolo iainana no notanterahin’ny Diosezin’i Ihosy. Asa nampiseho mazava ny fandraisan’andraikitra iombonana sy ny finoana miasa.
Tamin’ny 1 aprily, nitondra hafatra mazava momba ny fikajiana ny tontolo iainana ny Diosezy. Nitarika ny hetsika reboisement tany Anarafanja i Mgr. Fulgence Razakarivony, niaraka tamin’ny pretra rehetra ao amin’ny diosezy. Hazo 400 no novolena.
Io hetsika io dia tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny fananganana ny paroasy fahatelo ao amin’ny renivohitry ny diosezy, ka maneho mazava ny fifamatorana eo amin’ny fanompoam-pivavahana sy ny asa fiveloman’ny tontolo iainana.
Nivory tao amin’ny Katedraly Masina Renin’Andriamanitra ao Tanambao ny 137 mpikambana ao amin’ny Filankevitra FFVA, ny 2 aprily. Nisy lamesa fanokafana narahina fanofanana lalina notarihin’i P. Jean de la Croix Randrianatoandro, manampahaizana amin’ny teôlôjia.
Fotoana feno hafatra sy fandinihana, niompana amin’ny lohahevitra ara-pastoraly sy ara-panahy, nanampy ny mpikambana ho vonona amin’ny andraikitra entiny amin’ny fiangonana sy ny fiaraha-monina.
Tamin’ny 3 aprily, nifantoka tamin’ny fanatanterahana ny Plan de Travail Annuel (P.T.A) sy ny fandinihana ny sata ny fivoriambe ankapoben’ny ONG Tsimoka. Fivoriana iray lehibe izay nanamafy indray ny fiaraha-mientana amin’ny asa sosialy sy ny tetikasa fanampiana eo anivon’ny diosezy.
Nandray anjara mavitrika avokoa ireo mpikambana sy mpamatsy vola, niara-nizara vina sy tetikasa manohana ny fiaraha-monina.
Nandritra ny 5 sy 6 aprily, nanatanteraka fankalazana manokana ho an’ny marary sy ny mpiasan’ny fahasalamana ny Komisiona Diôsezana misahana ny Fahasalamana (C.D.S). Feno firaisankina sy fiaraha-mivavaka ny fotoana, izay nentina nanome voninahitra ireo miatrika fahasahiranana sy manome toky amin’ny fitsaboana sy fiahiana.
Ny lamesa lehibe notarihin’ny Eveka no nanam-petra ny fankalazana, nentin’ny rehetra ho fotoana iray feno fanasitranana ara-panahy sy ara-tsaina.
Io teny io no nentin’ny Diosezin’i Ihosy nitety ireo hetsika rehetra. Teny mitambatra ao anatiny ny fiainam-panahy sy ny fiaraha-mientana, mampatsiahy fa tsy misy fiaraha-monina mandroso raha tsy misy fanantenana sy fandraisan’andraikitra avy amin’ny rehetra
(RAZAFINDRANAIVO Robena Fredo)
© 2025 Radio Avec Ihosy